Ny mason’i Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandratra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko.
Zakaria 3:9 - Baiboly Katolika Fa inty ny vato napetrako eo anoloan’i Jesosy; maso fito no amin’izay vato tokana izay; indro Aho efa hisikotra ny hosokirina aminy, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary hoesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa: Misy masony fito io vato tokana io. Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary hesoriko amin’ny indray andro monja ny helok’ity tany ity. DIEM PROTESTANTA Eo anatrehan’i Josoa no ametrahako vato anankiray, dia vato tokana misy maso fito mamiratra. Indro hasiako soratra eo aminy, ary indray andro monja no hanesorako ny helok’ity tany ity, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eo anatrehan’i Josoa no ametrahako vato anankiray, dia vato tokana misy maso fito mamiratra. Indro hasiako soratra eo aminy, ary indray andro monja no hanesorako ny helok’ity tany ity, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa,–ny vato iray dia banjinin’ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity. Malagasy Bible Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. La Bible en Malgache Fa indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’i Josoa: Misy masony fito io vato tokana io. Indro, Izaho no hanoratra izay tokony hosoratina eo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary hesoriko amin’ny indray andro monja ny helok’ity tany ity. |
Ny mason’i Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandratra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko.
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.
Hifanisa amin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny vatosoa, dia roa ambin’ny folo araka ny anaran’izy ireo; ho voasikotra toy ny fanombohan-kase, samy misy ny anarany avy araka ny foko roa ambin’ny folo.
«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, - teny marin’i Iaveh, - hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.
Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
Ary niteny ilay Anjely ka nilaza tamin’ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: «Esory ny fitafiana maloto eny aminy.» Dia hoy izy taminy: «Jereo, efa noesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin’ny fety no natafiko anao.»
Fa iza no hanamavo ny andron’ny zava-madinika? Hifaly izy ireo mahita ny pilao eny an-tanan’i Zôrôbabela. Ireo lalampy fito ireo, dia ny mason’i Iaveh mitety ny tany rehetra.
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
araka ny voasoratra hoe: Indro, apetrako ao Siôna ny vato manafintohina sy ny vatolampy mahasolafaka; fa izay mino Azy ihany no tsy mba ho menatra.
Eny, miseho miharihary fa ianareo no taratasin’i Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin’ny ranomainty, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona; ary tsy tamin’ny takela-bato fisaka fa tamin’ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany.
Tsara orina anefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra, sady voaisy tombokase hoe: Fantatry ny Tompo ny Azy, sy hoe: Aoka hiala amin’ny ratsy izay rehetra manonona ny Anaran’ny Tompo.
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.