Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 11:9 - Baiboly Katolika

Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho! Izay ho faty dia aoka ho faty ary izay ho ringana dia aoka ho ringana ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy aho taminy: –Tsy hiandry anareo intsony Aho. Izay natao ho faty; izay natao ho ringana, dia aoka izy ho ringana; ary izay sisa velona dia aoka izy hifampihinana!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy aho taminy: –Tsy hiandry anareo intsony Aho. Izay natao ho faty; izay natao ho ringana, dia aoka izy ho ringana; ary izay sisa velona dia aoka izy hifampihinana!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon'ny namany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho! Izay ho faty dia aoka ho faty ary izay ho ringana dia aoka ho ringana ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy!

Jereo ny toko



Zakaria 11:9
22 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy; fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy azon’ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.


Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, no manontany anao manao hoe: «Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?» dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany, ary hariako ianareo.» - teny marin’i Iaveh. -


noho izany, Izaho kosa dia tena hanadino anareo mihitsy, sy hanary anareo tsy ho eo anatrehan’ny Tavako, dia ianareo mbamin’ny tanàna nomeko anareo sy ny razanareo;


Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin’ny fahafatesana, matesa; izay ho amin’ny fahababoana, baboy; izay ho amin’ny sabatra, alavoin-tsabatra.


noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao Aho, ary haeliko any amin’ny vazantany rehetra, izay sisa eo aminao.


Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.


Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.


Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba, dia hianjera any an-kady izy roroa.»


Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: «Aza misy voa avy aminao mandrakizay.» Niaraka tamin’izay dia maina ilay aviavy.


Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.


Hoy indray i Jesoa tamin’izy ireo: «Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.»


Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.»


Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa.