Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 11:12 - Baiboly Katolika

Ary hoy aho taminy: «Omeo ny karamako, raha tsara eo imasonao izany; fa raha tsy izany, aza manome foana.» Dia nolanjain’izy ireo ny karamako ka sikla volafotsy telopolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy aho tamin’ireto mpanondrana ondry: –Raha heverinareo fa mety, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany kosa, dia aoka ihany. Dia naloany ny karamako sekela volafotsy telopolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy aho tamin’ireto mpanondrana ondry: –Raha heverinareo fa mety, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany kosa, dia aoka ihany. Dia naloany ny karamako sekela volafotsy telopolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo.

Jereo ny toko



Zakaria 11:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.


Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.


Ka niteny tamin’i Nabôta i Akaba nanao hoe: «Avelao mba ho ahy ny tanimboalobokao, hataoko fambolena anana, fa akaiky dia akaiky ny tranoko; tanimboaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.»


40.000 no efitranon’ny soavaly mpitarika kalesin’i Salômôna, ary 12.000 no soavaly fitaingina.


Noheverin’ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany.


Fa raha andevolahy na andevovavy no totoin’ny omby dia vola fotsy telopolo sikla no haloa ho an’ny tompon’ny andevo, ary ny omby hotoraham-bato.»


Ka novidiko tamin’i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatôta, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin’ny folo.


ary raha vehivavy, dia telopolo sikla no hanombananao azy.


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.


ka nomeny hamidy ny sahan’ny mpanefy vilany, araka ny nandidian’ny Tompo ahy».


ary tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany nanao hoe: «Dia nalainy ny vola telopolo, vidin’Ilay notombanan’ny zanak’i Israely,


Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy IsKariota zanak’i Simôna moa efa nomen’ny devoly hevitra hamadika Azy,