noho ianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny nandrenesanao izay tononiko hanjò ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa Aho. - teny marin’i Iaveh:
Ka dia niantefa tamin’izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin’ny tanànan’i Jodà sy ny lalam-ben’i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Toy ny nikasako hahatonga loza taminareo fony nihantsy ny hatezerako ny razanareo, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy nanenenako izany,