Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy ao an-tendrombohitra Siôna. Izany no hoefain’ny firehetam-pon’i Iavehn’ny tafika.
Zakaria 1:14 - Baiboly Katolika Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Jerosalema sy i Ziona Aho. DIEM PROTESTANTA Ary ilay anjely izay niresaka tamiko dia nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ‹Miredaredam-pitiavana an’i Jerosalema sy ny tendrombohitra Tsiôna Aho, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ilay anjely izay niresaka tamiko dia nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ‹Miredaredam-pitiavana an’i Jerosalema sy ny tendrombohitra Tsiôna Aho, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’i Jerosalema sy Ziona Aho. Malagasy Bible Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho. La Bible en Malgache Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Ataovy antso avo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Jerosalema sy i Ziona* Aho. |
Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy ao an-tendrombohitra Siôna. Izany no hoefain’ny firehetam-pon’i Iavehn’ny tafika.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!» dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?» «Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.
Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.
Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy.
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere, eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao, ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao? Niato izany raha ny amiko.
noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Eny, noho ny firehitry ny fahasaro-piaroko, no nitenenako namely izay sisa amin’ny firenena sy namely an’i Idomea manontolo izay nisazoka ny taniko ho fananany tamin’ny hafalian’ny fony rehetra sy tamin’ny fanesoan’ny fanahiny, hataony fandroba foana.
Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Andriamanitra saro-piaro sy mpamaly heloka i Iaveh; mpamaly heloka i Iaveh; sady mahalala fahatezerana; mamaly izay manohitra Azy i Iaveh, sady mitahiry fahatezerana amin’ny fahavalony.
Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.
Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.