Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 4:6 - Baiboly Katolika

Ary namaly ilay mahazo manavotra: «Tsy afa-manavotra izany amin’ny anarako aho, fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko



Rota 4:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jodà tamin’i Onàna: «Mandehana amin’ny vadin-drahalahinao, ento loloha izy, mba hamelomanao maso ny rahalahinao.»


Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin’ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.


Raha tsy tian-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo am-bavahady ravehivavy ka hanao hoe: Tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo imason’i Israely ny rahalahin’ny vadiko, fa tsy mety manambady na mitondra loloha ahy izy.


Dia hampiantso an-dralehilahy sy hiteny aminy ny loholon’ny tanàna, ka raha mikiry izy, manao hoe: Tsy hanambady azy aho,


dia hanatona azy eo anatrehan’ny loholona ravehivavy, sy hanala ny kapa amin’ny tongony ary handrora amin’ny tavany sady hanao hoe: Toy izao no hatao amin’ny lehilahy tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.


Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»


Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».


Dia hoy izy: «Iza izato?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no Rota ankizy vavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizy vavinao, fa havana mahazo manavotra ianao.»