Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 4:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary namaly ilay mahazo manavotra: «Tsy afa-manavotra izany amin’ny anarako aho, fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 4:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Joda tamin’i Onàna: –Mandehana mankany amin’ny vady navelan’ny rahalahinao, ka alao ho vady loloha izy mba hamelo-maso ny rahalahinao.


«Raha tàhiny misy mihamahantra ny mpiray firenena aminao ka mivarotra ampahany amin’ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay tany amidiny.


Raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo amin’ny fitsarana ravehivavy ka hanao hoe: «Tsy mety mamelona ny anaran’ny rahalahiny eo amin’i Israely ny zaodahiko, fa tsy te hitondra loloha ahy».


Dia hantsoin’ireo loholon’ny tanàna ralehilahy ka hohadininy. Ary raha miteny izy ka manao hoe: «Tsy sitrako ny hanambady azy!»,


dia hanatona azy eo anatrehan’ireo loholona ity vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ny tongo-dralehilahy ary handrora amin’ny tavany sady hiteny hoe: «Toy izany no hatao amin’ny lehilahy tsy mety manome taranaka ny rahalahiny!»


Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.


Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.


Dia nanontany i Bôhaza hoe: –Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: –Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra