Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Rota 4:14 - Baiboly Katolika Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemì: «Hisaorana anie i Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin’i Israely! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie NY TOMPO izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka hambara eo amin’ny Israely ny anarany! DIEM PROTESTANTA Dia hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Nahômỳ: –Hisaorana anie ny TOMPO fa tsy navelany tsy hanan-kavana mahavotra ianao ankehitriny! Halaza eo amin’i Israely anie ny anaran’ny zafinao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Nahômỳ: –Hisaorana anie ny TOMPO fa tsy navelany tsy hanan-kavana mahavotra ianao ankehitriny! Halaza eo amin’i Israely anie ny anaran’ny zafinao! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao andro-any tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ny Isiraely. Malagasy Bible Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely. La Bible en Malgache Ary hoy ireo vehivavy tamin’i Naomy: Isaorana anie NY TOMPO izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka hambara eo amin’ny Israely ny anarany! |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.
Ary nahare ny mpiara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.
Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra.
ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.