Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:19 - Baiboly Katolika

Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary na dia nijanona andro maro teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona dia nitandrina izay nasain’NY TOMPO notandremana ny Zanak’Israely ka tsy niainga.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha nijanona ela teo ny rahona, dia nankatò ny didin’ny TOMPO ny Israelita ka tsy nandeha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha nijanona ela teo ny rahona, dia nankatò ny didin’ny TOMPO ny Israelita ka tsy nandeha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’Isiraely ka tsy niainga.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary na dia nijanona andro maro teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona dia nitandrina izay nasain’NY TOMPO notandremana ny Zanak’Israely ka tsy niainga.

Jereo ny toko



Nomery 9:19
7 Rohy Ifampitohizana  

fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandra-pahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray.


Hijanona hafitoana andro aman’alina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, ka hitandrina ny didin’i Iaveh mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy azoko.»


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.


Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan’ny zanak’i Israely; izany no hanatanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana;


Didy avy amin’i Iaveh no niaingan’ny zanak’i Israely nifindrany toby; didy avy amin’i Iaveh no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana.


Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan’ny rahona teo ambonin’ny Fonenana; didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany.