Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Raha nijanona ela teo ny rahona, dia nankatò ny didin’ny TOMPO ny Israelita ka tsy nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary na dia nijanona andro maro teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona dia nitandrina izay nasain’NY TOMPO notandremana ny Zanak’Israely ka tsy niainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Raha nijanona ela teo ny rahona, dia nankatò ny didin’ny TOMPO ny Israelita ka tsy nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’Isiraely ka tsy niainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary na dia nijanona andro maro teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona dia nitandrina izay nasain’NY TOMPO notandremana ny Zanak’Israely ka tsy niainga.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Raha tsy nihetsika ny rahona, dia tsy nifindra ry zareo fa niandry ny andro hiakaran’ny rahona indray.


Eny, hitoetra fito andro aman’alina eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ianareo. Avy eo dia hanao ny fanompoana ny Tompo ianareo kanefa tsy ho faty. Izany no didy nomen’ny TOMPO ahy.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»


Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin’ny Tranolay.


Baikon’ny TOMPO izany no iaingan’ny Israelita ary baikon’ny TOMPO koa no itobiany; fa arakaraka ny nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina no nitobiany.


Indraindray dia andro vitsivitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny Fonena-masina, koa baikon’ny TOMPO ihany no itobiany, ary baikon’ny TOMPO ihany no iaingany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra