Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 8:35 - Baiboly Katolika

35 Hijanona hafitoana andro aman’alina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, ka hitandrina ny didin’i Iaveh mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy azoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hafitoana andro aman’alina ianareo ka hitandrina izay asain’NY TOMPO hotandremana dia tsy ho faty ianareo: Izany no nandidiana ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Eny, hitoetra fito andro aman’alina eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ianareo. Avy eo dia hanao ny fanompoana ny Tompo ianareo kanefa tsy ho faty. Izany no didy nomen’ny TOMPO ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Eny, hitoetra fito andro aman’alina eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ianareo. Avy eo dia hanao ny fanompoana ny Tompo ianareo kanefa tsy ho faty. Izany no didy nomen’ny TOMPO ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Ary hitoetra eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman-alina hianareo ka hitandrina izay asain’i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty hianareo: fa izany no nandidiana ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:35
24 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo ny fanompoana an’i Iaveh Andriamanitrao, fa araho ny lalany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mba hahomby ianao amin’izay hataonao rehetra sy izay rehetra noherehinao,


«Izany no hataonao amin’i Aarôna sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Hafitoana no hanokananao azy.»


Hafitoana no hanateranao osilahy isan’andro, ho sorona noho ny ota; manatera koa ombalahy iray sy ondralahy iray, avy amin’ny andiany, tsy misy kilema.


Ho an’ny mpisorona voahasina, taranak’i Sadôka, izay nanefa ny fanompoana Ahy, fa tsy mba nivily tamin’ny fotoana nivilian’ny zanak’i Israely, tahaka ny nivilian’ny Levita.


Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.


Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.


Dia nakan’i Môizy ny diloilo fanosorana sy ny ra teo ambonin’ny ôtely, nafafiny tamin’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ary tamin’ireo zanak’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa i Aarôna sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany.


Izao atao anio izao, dia nodidian’i Iaveh hatao mandritra ny hafitoana hanaovana ny fanonerana ho anareo.


Dia nataon’i Aarôna sy ny zanany ny zavatra rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.


Hanadio tena amin’izany rano izany izy, amin’ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio.


Izy ireo no hiadidy ny zavatra rehetra iandraiketan’i Aarôna, sy iandraiketan’ny fiangonana rehetra, eo anoloan’ny trano lay fihaonana; ka hanatanteraka ny fanompoana momba ny Fonenana.


Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.


Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin’ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.


«Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao ary tandremo izay asainy tandremanao, dia ny lalàny amam-pitsipiny ary ny didiny, mandritra ny andronao rehetra.


Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,


Mihanta aminao eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny Anjely voafidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory, ny fitandremana izany zavatra izany.


Izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:


Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;


Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,


Izao no angatahina aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:


Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorom-be: fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra