Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:89 - Baiboly Katolika

Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa. Ary niteny taminy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa niditra tao amin’ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny fiaran’ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana* i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima* roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.

Jereo ny toko



Nomery 7:89
15 Rohy Ifampitohizana  

Kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, no nataony tao anatin’ny Fitoerana masina, folo hakiho avy no haavony.


Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona. Salamon’i Asafa.


Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.


Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.


Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.


Ary i Iaveh niantso an’i Môizy ka niteny taminy tao an-trano lay fihaonana, nanao hoe:


Any an’efitra Sinaia, tao an-trano lay fihaonana, tamin’ny andro voalohany amin’ny volana faharoa, taona faharoa taorian’ny nivoahana tany amin’ny tany Ejipta, dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe;


Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.


Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iaveh izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.


Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.


Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.