89 Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.
89 Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.
89 Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.
89 Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana* i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima* roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.
Tao amin’io efitrano misy ny Vatamasina io dia namboarana kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva izay samy nirefy dimy metatra ny haavony. Ny voalohany dia nanana elatra roa metatra sy sasany ny halavany, izany hoe dimy metatra no elanelan’ny tendron’elatra anankiroa. Ny faharoa koa dia nirefy dimy metatra, ary nitovy refy sy bika tamin’ilay voalohany ihany.
Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.
Dia naniraka olona nankany Silao ny vahoaka mba haka ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, dia ilay TOMPO mipetraka eo ambony kerobima. Nanaraka io Vatamasina io ny zanak’i Helỳ roa lahy, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa.