Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 7:88 - DIEM PROTESTANTA

88 Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

88 Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

88 Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

88 Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

88 Ary ny isan’ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alilara, rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

88 Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

88 Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 7:88
5 Rohy Ifampitohizana  

Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;


Tamin’ny andro namitan’i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin’ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy.


Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.


Ireto ny fitambaran’ny fanomezana natolotr’ireo filoham-pianakaviamben’i Israely tamin’ny andro nanosorana sy nanokanana ny alitara: lovia volafotsy 12, kaopy volafotsy famafazana 12, lovia kely volamena 12,


Ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo dia vantotr’ombilahy 12, ondrilahy 12, ondrilahikely 12 izay iray taona avy miaraka amin’ny fanatitra momba azy; osilahy 12 no natao sorona fanalana ny ota.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra