Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 6:23 - Baiboly Katolika

«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak’i Israely ianareo, dia hanao aminy hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no teny hoentinareo mitsodrano ny Zanak’Israely:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Izao no teny hataonareo rehefa mitsodrano ny Israelita ianareo:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Izao no teny hataonareo rehefa mitsodrano ny Israelita ianareo:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mitenena amin’i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’Isiraely:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mitenena amin'i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak'Isiraely:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no teny hoentinareo mitsodrano ny Zanak’Israely:

Jereo ny toko



Nomery 6:23
27 Rohy Ifampitohizana  

Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»


Dia nisaotra an’i Faraôna indray i Jakôba, dia lasa niala teo anatrehany.


Nampanalain’i Josefa i Jakôba rainy, ka nasehony an’i Faraôna; dia nisaotra an’i Faraôna i Jakôba.


Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: «Aminao no hitsofan’i Israely rano, hoe: ‹Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy i Manase anie ianao.› » Toy izany no nanaovany an’i Efraima ho alohan’i Manase.


Nony nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan’i Israely rehetra nanao hoe:


Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.


Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon’izy ireo, ka tafapaka hatrany amin’ny fonenana masin’i Iaveh hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.


Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.


ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.


Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.


Dia hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, fa ireo no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitrao; ary araka ny tenin’izy ireo no hitsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra.


Izao no tso-drano nataon’i Môizy, olon’Andriamanitra, tamin’ny zanak’i Israely, talohan’ny nahafatesany.


Io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema, mpisoron’ny Avo Indrindra, nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,


Tsy azo lavina anefa fa ny ambany no mandray tso-drano avy amin’izay ambony noho izy.


Nitsangana teo an-daniny roa amin’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, i Israely rehetra, ny loholony, ny manamboninahiny, ny mpitsarany, na ny vahiny na ny zanak’i Israely, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Garizima, ny antsasany teo anilan’ny tendrombohitra Hebaka, araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh fahiny, mba hitso-drano ny vahoakan’i Israely.


araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!


ho ao amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray!