Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 5:19 - Baiboly Katolika

Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona ka hiteny aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao ka tsy nivaona tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana ianao dia aoka ho afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hampianiana an-dravehivavy izy ka hanao aminy hoe: «Raha tsy marina fa nisy lehilahy niray taminao ka nandoto anao tamin’ny fanitsakitsahanao ny vadinao, dia afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hampianiana an-dravehivavy izy ka hanao aminy hoe: «Raha tsy marina fa nisy lehilahy niray taminao ka nandoto anao tamin’ny fanitsakitsahanao ny vadinao, dia afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana hianao, dia afaha amin’ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona ka hiteny aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao ka tsy nivaona tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana ianao dia aoka ho afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao;

Jereo ny toko



Nomery 5:19
5 Rohy Ifampitohizana  

«Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ny lahy,


Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.


Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka.


Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy: «Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra.»


Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy.