Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:63 - Baiboly Katolika

63 Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy: «Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

63 Nefa nangina Jesosy. Dia hoy ny Mpisoronabe Taminy: Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

63 Fa nangina i Jesoa. Dia hoy ny mpisorombe taminy: –Mandidy Anao aho, amin’ny anaran’ilay Andriamanitra velona, mba hilaza aminay raha Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

63 Fa nangina i Jesoa. Dia hoy ny mpisorombe taminy: –Mandidy Anao aho, amin’ny anaran’ilay Andriamanitra velona, mba hilaza aminay raha Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

63 Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:63
42 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin’ny Anaran’i Iaveh, afa-tsy ny marina ihany?»


Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no iangaviako anao, mba tsy hilaza amiko hafa-tsy izay marina, amin’ny Anaran’i Iaveh ianao.»


Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!


Mankahala ny fanahiny, izay miara-mizara amin’ny mpangalatra, fa mandre ny fanozonana izy, nefa tsy milaza na inona na inona.


Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.


Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.


Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: «Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.»


Dia nitsangana ilay lehiben’ny mpisorona, ka nanao taminy hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?»


fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy no tsy novaliany kely akory,


Fa tsy namaly Izy na dia indraimbava aza, ka gaga dia gaga ny governora.


nanao hoe: «Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny Hazofijaliana.»


Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filàzany.»


Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.»


Dia nanatona ny mpaka fanahy, ka nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy tonga mofo ireto vato ireto.»


Fa tsy niteny Izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe: «Ianao va no Kristy Zanak’Ilay isaorana?»


Ary nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra.»


Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: «Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.»


Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: «Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.»


Izaho sy ny Ray dia iray ihany.»


ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?


Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»


Dia hoy ny Jody namaly azy: «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.»


Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Avy aiza moa Ianao?» Fa tsy namaly azy i Jesoa.


Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.


Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: «Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;


Dia hoy ry zareo taminy: «Iza moa Ianao?» ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Izay lazaiko aminareo indrindra.


Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa, izay notorinay sy i Silvano ary i Timote taminareo, tsy nisy «eny» sy «tsia,» fa «eny» ihany no tao aminy.


Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;


Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.


Ary niditra ny ala ny vahoaka ka nahita tantely nitsononòka, nefa tsy nisy sahy nanainga ny tanany ho eo am-bavany, fa natahotra ny fianianana ny vahoaka.


Fa niteny kosa tamin’izay ity olona iray tamin’ny vahoaka, nanao hoe: «Rainao anie ka nampianiana ny vahoaka nanao hoe: Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina anio! Efa reraka erỳ ny vahoaka».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra