Ny sasany aminy, nitandrina ny fanaka, dia ny fanaka rehetra teo amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny lafarina tsara indrindra, ny divay, ny diloilo, ny emboka, ary ny zava-manitra.
Nomery 4:32 - Baiboly Katolika ny andry amin’ny kianja manodidina azy, ny faladian’ireo, ny tsîmany, ny kofehiny, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran’ny zavatra nomeny hoentiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra mbamin’ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao. Araka ny anarany avy no hanisanareo ny fanaka, izay anjara entany. DIEM PROTESTANTA ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy. Baiboly Protestanta Malagasy sy ny tsangantsangan’ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina. Malagasy Bible sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina. La Bible en Malgache ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra mbamin’ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao. Araka ny anarany avy no hanisanareo ny fanaka, izay anjara entany. |
Ny sasany aminy, nitandrina ny fanaka, dia ny fanaka rehetra teo amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny lafarina tsara indrindra, ny divay, ny diloilo, ny emboka, ary ny zava-manitra.
Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»
«Manaova ny kianjan’ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao ankavanana, ny kianja dia hasianao fefy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan’ny lafiny.
varahina ny faladian’ny andry, volafotsy ny faraingo amin’ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany. Voakambana amin’ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin’ny kianja.
Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.
Napetraka tamin’ny zanaka lahin’i Merarỳ ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin’ny zavatra rehetra ilaina aminy,
Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan’ny zanak’i Israely; izany no hanatanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana;
Ka izao no omena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany,
Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.
Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.
Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,
Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomen’ny taranak’i Merarỳ, fehin’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona, araka izay ilainy amin’ny raharahany.