Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
Nomery 36:2 - Baiboly Katolika «Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy. DIEM PROTESTANTA ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny. Baiboly Protestanta Malagasy Hianao, tompokolahy, efa nodidian’i Jehovah hizara ny tany amin’ny filokana ho an’ny Zanak’Isiraely; ary hianao, tompokolahy, efa nodidian’i Jehovah hanome ny zara-tanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanani-vavy. Malagasy Bible Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy. La Bible en Malgache Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy. |
Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.
Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.
ny mponina rehetra amin’ny tendrombohitra hatrany Libàna ka hatrany amin’ny ranon’i Maserefôta dia ny Sidonianina rehetra: horoahiko eo anoloan’ny zanak’i Israely ireo. Nefa zarao amin’ny filokana ireo tany ireo ho lovan’i Israely, araka ny efa nandidiako izany.