Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 36:1 - Baiboly Katolika

1 Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Dia nanatona ireo loham-pianakaviana tamin’ny fokon’ireo taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’ireo taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’ireo lehibe, izay loham-pianakaviana tamin’ny Zanak’Israely hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Nisy nanatona an’i Mosesy sy ny filohan’ny foko israelita ireo taranak’i Jôsefa, dia ny loham-pianakaviana avy amin’ny tarik’i Gilehada zanakalahin’i Makira sady zafikelin’i Manase,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nisy nanatona an’i Mosesy sy ny filohan’ny foko israelita ireo taranak’i Jôsefa, dia ny loham-pianakaviana avy amin’ny tarik’i Gilehada zanakalahin’i Makira sady zafikelin’i Manase,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 DIA nanatona ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ny fianakaviana tamin’ny Zanak’Isiraely, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Dia nanatona ireo loham-pianakaviana tamin’ny fokon’ireo taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’ireo taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’ireo lehibe, izay loham-pianakaviana tamin’ny Zanak’Israely hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 36:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.


Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.


Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:


«Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain’ny zanaka vavin’i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin’ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra