Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 36:3 - Baiboly Katolika

3 Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Koa raha manambady ny zanakalahin’ny foko sasany amin’ny Zanak’Israely ireo dia hesorina amin’izay an’ny razanay ny zarataniny ka hanampy ny zaratanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zarataninay izay azonay tamin’ny antsapaka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin’ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin’ny antsapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin’ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin’ny antsapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Koa raha manambady ny zanakalahin’ny firenena sasany amin’ny Zanak’Isiraely ireo, dia hesorina amin’ny an’ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zara-taninay izay azonay tamin’ny filokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Koa raha manambady ny zanakalahin’ny foko sasany amin’ny Zanak’Israely ireo dia hesorina amin’izay an’ny razanay ny zarataniny ka hanampy ny zaratanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zarataninay izay azonay tamin’ny antsapaka izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 36:3
2 Rohy Ifampitohizana  

«Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.


Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra