Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
Nomery 33:53 - Baiboly Katolika dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia halainareo ny tany ka honina ao ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany mba ho zarataninareo. DIEM PROTESTANTA Halainareo ny tany ka honenanareo, fa ianareo no nomeko azy ho lovanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Halainareo ny tany ka honenanareo, fa ianareo no nomeko azy ho lovanareo. Baiboly Protestanta Malagasy dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo hianareo; fa hianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo. Malagasy Bible dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo. La Bible en Malgache dia halainareo ny tany ka honina ao ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany mba ho zarataninareo. |
Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Fa ndeha hita an’i Jordany ianareo, ka halainareo ho anareo ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo dia hanana azy ianareo ary honina ao.
Raha avy izay hahatafidiranao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ary efa azonao ho fanananao izy sy efa niorim-ponenana any ianao, ka manao hoe: Mba te-hana-mpanjaka hifehy ahy toy ny firenena rehetra manodidina ahy, aho;
Nanome didy anareo aho tamin’izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa ianareo rehetra, rehefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan’ny rahalahinareo, dia ny zanak’i Israely.
Nony nomen’ny Avo indrindra zaratany ny firenena, nony natokotokony ny zanak’olombelona, dia nametra ny faritanin’ny vahoaka Izy; araka ny isan’ny zanak’i Israely.
«Ary raha hoy ianao anakampo hoe: Firenena maro noho izaho ireo, ka hataoko ahoana no fandroaka azy?
«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.
Tsy nisy foana akory, na dia iray aza, ny teny soa rehetra nolazain’i Iaveh tamin’ny taranak’i Israely, fa tanteraka avokoa.
I Iaveh Andriamanitrareo hampandositra ireny eo anoloanareo sy handroaka azy eo anoloanareo, ka ho lasanareo ny taniny, araka ny efa voalazan’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo».