Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Nomery 3:47 - Baiboly Katolika dia sikla dimy isan’olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gerà roapolo avy, no handraisanao azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hakanao sekela dimy isan’olona; araka ny sekela masina no hakanao azy, gera roapolo ny sekela iray. DIEM PROTESTANTA dia hakanao sekela dimy isan’olona; ka araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina, izany hoe sekela iray milanja folo grama, no hangalanao azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia hakanao sekela dimy isan’olona; ka araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina, izany hoe sekela iray milanja folo grama, no hangalanao azy. Baiboly Protestanta Malagasy dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray). Malagasy Bible dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray). La Bible en Malgache dia hakanao sekela dimy isan’olona; araka ny sekela masina no hakanao azy, gera roapolo ny sekela iray. |
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Ny tontalin’ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolo sy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin’ny fanatitra ireo.
Raha lehilahy no hotombanana ny hatramin’ny roapolo taona, dia tombano volafotsy dimampolo sikla araka ny sikla masina;
Ny hatramin’ny iray volana hatramin’ny dimy taona, raha zazalahy dia dimy sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia telo sikla.
Ny amin’ny fanavotana azy dia asaovy avotana rehefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gerà avy.
ary homenao an’i Aarôna sy ny zanany ny vola, ho avotr’ireo mihoatra ny isan’ny Levita.»
ka sikla 1.365, araka ny sikla masina, no vola noraisiny tamin’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely.
Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra;