Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 3:41 - Baiboly Katolika

Dia ny Levita no alainao ho Ahy, fa Izaho no Iaveh, dia ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’i Israely.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Alao ho Ahy ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin’ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Alao ho Ahy ny levita* ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko



Nomery 3:41
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an’i Iaveh, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy avotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.


«Indro efa nalaiko ho Ahy eo afovoan’ny zanak’i Israely ny Levita, ho solon’ny lahy matoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin’ny taranak’i Israely, ka dia Ahy ny Levita;


satria Ahy ny lahy matoa rehetra. Tamin’ilay andro namelezako ny lahy matoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanokanako ho Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’i Israely, na olona na biby fiompy; ka dia Ahy ireo, fa Izaho no Iaveh.»


Dia nisain’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh azy, ny lahy matoa rehetra tamin’ny zanak’i Israely,


«Alao ny Levita ho solon’ny lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny biby fiompiny koa, ka dia ho Ahy ny Levita; Izaho no Iaveh.


Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,


dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»


izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,