Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 3:41 - DIEM PROTESTANTA

41 Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Alao ho Ahy ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 Dia ny Levita no alainao ho Ahy, fa Izaho no Iaveh, dia ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Alao ho Ahy ny levita* ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 3:41
10 Rohy Ifampitohizana  

Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.


–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,


satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.


Dia nisain’i Mosesy araka ny nandidian’ny TOMPO azy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israelita,


–Atokano ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompin’ny Israelita.


satria efa nomena Ahy avy tamin’ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon’ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita.


Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra