Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.
Nomery 28:7 - Baiboly Katolika Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina. DIEM PROTESTANTA Io zanak’ondry voalohany io dia hampiarahina amin’ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an’ny TOMPO ao amin’ny Toeramasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io zanak’ondry voalohany io dia hampiarahina amin’ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an’ny TOMPO ao amin’ny Toeramasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray; ao amin’ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an’i Jehovah ho fanatitra aidina. Malagasy Bible Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina. La Bible en Malgache Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina. |
Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.
Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.
Aza misy atolotrareo eo ambonin’io ôtely io, na ny zava-manitra tsy masina na ny sorona dorana na ny fanatitra, ary aza araraka eo ny fanatitra araraka.
Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.
Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh; misaona ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh!
Iza moa no mahalala fa tsy mihemotra sy tsy hanenina, ary tsy hamela hitafiana eo aoriany izy, dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’i Iaveh Andriamanitsika?
Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.
ary divay antsasaky ny hina, no hatolotrao ho fanatitra araraka: Sorona atao amin’ny afo, ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh izany.
hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.
ary divay ampahatelon’ny hina no hatolotrao ho fanatitra araraka, mba ho fanolorana misy hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh.
Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray, ampahatelon’ny hina, amin’ny isan’ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin’ny volana mandritra ny taona.
Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Ny zanak’ondry iray haterina amin’ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin’ny maraina, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin’i Iaveh.»
Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.