Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Io zanak’ondry voalohany io dia hampiarahina amin’ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an’ny TOMPO ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Io zanak’ondry voalohany io dia hampiarahina amin’ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an’ny TOMPO ao amin’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray; ao amin’ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an’i Jehovah ho fanatitra aidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray; ao amin'ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an'i Jehovah ho fanatitra aidina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Miaraka amin’ny zanakondry amin’ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin’ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.


Amin’ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.


Aza manolotra vovo-javamanitra tsy sahaza eo, na sorona dorana manontolo, na fanatitra vokatry ny tany; tsy handrarahana fanatitra divay koa eo ambonin’io alitara io.


Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.


Angamba mety hanenina Izy ka hamela fitahiana ho anareo; dia hisy fanatitra vokatry ny tany sy fanatitra araraka azonareo atao ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin’ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin’ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.


ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


ary hanolotra divay iray litatra sy tapany miaraka amin’ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.


ary divay roa litatra no haterina miaraka amin’ny ondrilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


Ny fanatitra araraka momba izany kosa dia divay telo litatra isan’ombilahy, divay roa litatra isan’ondrilahy ary iray litatra sy tapany isan-janak’ondry. Izany no sorona hatao isaky ny andro voalohan’ny volana, amin’ny volana rehetra mandritra ny taona.


Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro mbamin’ny fanatitra lafarinina momba azy; ary biby tsy misy kilema no hatolotrareo miaraka amin’ny fanatitra divay momba azy.


Io sorona dorana manontolo isan’andro tsy tapaka io dia araka izay natao tany an-tendrombohitra Sinay; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.


Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotra ho an’ny TOMPO amin’ny hariva, ka hampiarahina amin’ireo fanatitra lafarinina sy divay toy ny tamin’ny maraina; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.


Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra