Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Io sorona dorana manontolo isan’andro tsy tapaka io dia araka izay natao tany an-tendrombohitra Sinay; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Io sorona dorana manontolo isan’andro tsy tapaka io dia araka izay natao tany an-tendrombohitra Sinay; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.


Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan-tsabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO.


Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro.


Tsy ireo sorona amam-panatitrareo no aniniako anareo: eo anatrehako mandrakariva ireny rehetra ireny.


Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Isa-maraina koa no hanolorana amin’ny TOMPO koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin’ny Tompo izany, ary lalàna raikitra hatrany hatrany.


Ny zanak’ondry sy ny koba ary ny diloilo dia hatolotra ny Tompo isa-maraina ho sorona dorana manontolo isan’andro.»


Ireo no didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy ho an’ny Israelita, teo an-tendrombohitra Sinay.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


Ry taranak’i Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra ho Ahy ve ianareo nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?


miaraka amin’ny lafarinina tsara toto telo kilao nofetaina tamin’ny menaka madio iray litatra sy tapany.


Io zanak’ondry voalohany io dia hampiarahina amin’ny fanatitra araraka, izany hoe divay iray litatra sy tapany izay hatolotra ho an’ny TOMPO ao amin’ny Toeramasina.


Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra