Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:14 - Baiboly Katolika

14 Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray, ampahatelon’ny hina, amin’ny isan’ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin’ny volana mandritra ny taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Ny fanatitra araraka momba izany kosa dia divay telo litatra isan’ombilahy, divay roa litatra isan’ondrilahy ary iray litatra sy tapany isan-janak’ondry. Izany no sorona hatao isaky ny andro voalohan’ny volana, amin’ny volana rehetra mandritra ny taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ny fanatitra araraka momba izany kosa dia divay telo litatra isan’ombilahy, divay roa litatra isan’ondrilahy ary iray litatra sy tapany isan-janak’ondry. Izany no sorona hatao isaky ny andro voalohan’ny volana, amin’ny volana rehetra mandritra ny taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, ary ampahatelon’ny hina ho amin’ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin’ny isam-bolana, araka ny volana amin’ny taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina*, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:14
11 Rohy Ifampitohizana  

Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin’ny voalohan’ny volana sy amin’ny fety rehetra voatokana ho an’i Iaveh, ary ny avy amin’izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.


Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso.


Tiako hofaranana ny amin’i Moaba, - teny marin’i Iaveh, - izay miakatra ho eo amin’ny fitoerana avony, sy manolotra emboka manitra amin’ny andriamaniny.


Ny sorona dorana, haterin’ny mpanapaka ho an’i Iaveh amin’ny andro sabata, dia zanak’ondry tsy misy kilema, enina, sy ondralahy iray tsy misy kilema.


Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.


hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.


dia lafarina tsara indrindra, telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo antsasaky ny hina no hatolotrao miaraka amin’ny ombalahy ho fanatitra,


ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isan-janak’ondry iray; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.


Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»


Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray, ka ao amin’ny fitoerana masina, no hanaovanao ny fanatitra araraka amin’ny divay madio ho an’i Iaveh


miaraka amin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, manaraka ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry samy araka ny isany avy, araka ny fitsipika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra