Nomery 26:65 - Baiboly Katolika Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa NY TOMPO efa nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho faty any an-tany efitra tokoa ireo. Koa tsy nisy olona sisa tamin’ireny afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Josoa, zanak’i Nona, ihany. DIEM PROTESTANTA satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin’ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefone ary i Josoa zanakalahin’i Nona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin’ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefone ary i Josoa zanakalahin’i Nona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ireny afa-tsy Kaleba, zanak’i Jefone, sy Josoa, zanak’i Nona, ihany. Malagasy Bible Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany. La Bible en Malgache Fa NY TOMPO efa nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho faty any an-tany efitra tokoa ireo. Koa tsy nisy olona sisa tamin’ireny afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Josoa, zanak’i Nona, ihany. |
«Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.
Izany no nentiko, Izaho Iaveh. Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona atỳ an’efitra atỳ izy, ho faty atỳ.»
I Jôsoe zanak’i Nona sy i Kaleba zanak’i Jefone no velona tamin’ireo lehilahy nisafo ny tany.
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no hanomezako ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tsara an’i Iaveh izy.
Izao no antony namoran’i Jôsoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an’efitra avokoa, teny an-dalana, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta.
Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino tatỳ aoriana.