Nomery 26:57 - Baiboly Katolika Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no voaisa tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Kehatita; avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Merarita. DIEM PROTESTANTA Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izao no voaisa ho taranak’i Levỳ, araka ny tarika tao aminy: ny Gersônita avy tamin’i Gersôna; ny Kehatita avy tamin’i Kehata; ny Merarita avy tamin’i Merarỳ. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no voalamina tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fokony: avy tamin’i Gersona ny fokon’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata ny fokon’ny Kehatita; avy tamin’i Merary ny fokon’ny Merarita. Malagasy Bible Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita. La Bible en Malgache Ary izao no voaisa tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Kehatita; avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Merarita. |
I Eleazara, zanaka lahin’i Aarôna, nanambady ny anankiray amin’ny zanaka vavin’i Fotiela, ka izay no niteraka an’i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian’ny Levita araka ny fianakaviany.
Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Loka no hizarana ny lova, na ny ho an’ny maromaro kokoa, na ny ho an’ny vitsivitsy kokoa.»
«Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak’i Levỳ, ka ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no isao.»