Dia nanana anaka i Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: «Nitsinjo ny fahoriako i Iaveh ka ho tian’ny vadiko aho ankehitriny.»
Nomery 26:5 - Baiboly Katolika I Robena lahimatoan’i Israely, zana-dRobena: ny fokon’ny Henôkita avy tamin’i Henoka, ny fokon’ny Faloita avy tamin’i Falò, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Robena, lahimatoan’Israely. Ny zanak’i Robena dia i Hanoka sy ny fianakavian’ny Hanokita; avy tamin’i Palo, ny fianakavian’ny Paloita; DIEM PROTESTANTA Ny taranak’i Reobena, lahimatoan’i Israely, dia nisy ireto tarika ireto: ny Hanôkita avy tamin’i Hanôka; ny Paloita avy tamin’i Palò; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny taranak’i Reobena, lahimatoan’i Israely, dia nisy ireto tarika ireto: ny Hanôkita avy tamin’i Hanôka; ny Paloita avy tamin’i Palò; Baiboly Protestanta Malagasy Robena, lahimatoan’Isiraely; ary ny zanak’i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ny Hanokita; avy tamin’i Palo ny fokon’ny Paloita; Malagasy Bible Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita; La Bible en Malgache Robena, lahimatoan’Israely. Ny zanak’i Robena dia i Hanoka sy ny fianakavian’ny Hanokita; avy tamin’i Palo, ny fianakavian’ny Paloita; |
Dia nanana anaka i Lià, ka tera-dahy, nomeny anarana hoe Robena, fa hoy izy: «Nitsinjo ny fahoriako i Iaveh ka ho tian’ny vadiko aho ankehitriny.»
Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.
Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa.
Izao no loham-pianakavian’izy ireo: Zanaka lahin-dRobena, lahy matoan’i Israely: i Henoka, i Falao, i Hesrôna ary i Karmì. Ireo no fianakavian’i Robena.
Ny tera-dRobena lahimatoan’i Israely, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, no nisainy araka ny anarany isam-batan’olona, ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
«Hisaina ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy ny zanak’i Israely, raha nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy ireo.»