Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao; ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao; ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
Nomery 26:22 - Baiboly Katolika Ireo no fokon’i Jodà, araka ny voaisa amin’izy ireo: 76.500. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no fianakavian’i Joda, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy enina arivo sy fito alina. DIEM PROTESTANTA Ireo no tarika tao amin’ny fokon’i Joda; ka nisy 76 500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo no tarika tao amin’ny fokon’i Joda; ka nisy 76 500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no fokon’i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina. Malagasy Bible Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina. La Bible en Malgache Ireo no fianakavian’i Joda, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy enina arivo sy fito alina. |
Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao; ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao; ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
Fa nahery tamin’ny rahalahiny i Jodà ary izy no niavian’ny filoha anankiray, nefa an’i Josefa ihany ny fizokiana.
Ny zanak’i Farezy dia izao: ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Hamolita avy tamin’i Hamola.
satria fantatra miharihary fa avy amin’i Jodà foko tsy mba voalazan’i Môizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika.