Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
Nomery 24:8 - Baiboly Katolika Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy, Ary nomeny azy ny herin’ny ombimanga. Mandevona ny firenena miady aminy izy, Manapaka ny taolany Sy mandripaka azy amin’ny zana-tsipìkany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy ary manan-kery toy ny ombimanga. Handany ny Jentilisa fahavalony izy ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ny zana-tsipìkany izy. DIEM PROTESTANTA Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany, ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia. Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy, ka manapatapaka ny taolany sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany, ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia. Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy, ka manapatapaka ny taolany sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka. Baiboly Protestanta Malagasy Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, Ka hotapatapahiny ny taolany, Ary haripany amin’ny zanatsipìkany. Malagasy Bible Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany. La Bible en Malgache Noentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy ary manan-kery toy ny ombimanga. Handany ny Jentilisa fahavalony izy ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ny zana-tsipìkany izy. |
Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin’ny fiandriananao, mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny; ary ny tananao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.
Maranitra ny zana-tsipìkanao; firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao.- Hotrabaran’ireny ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka.
Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko, dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.
Tsy niteny tsy nivolana aho, mandra-pahamarain’ny andro. Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy; hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko!
I Israely dia ondry mania izay nohazain’ny liona: ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria; ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.
Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.
Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»
ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: «Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atỳ an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.»
Indro firenena miarina toy ny liom-bavy, Sy mitsangana mova tsy ny liona! Tsy mandry izy raha tsy efa nihinana ny hazany, Sy efa nisotro ny ran’ny voaratra.»
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda, mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo voalazan’ny mpaminany hoe: «Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako»
Homamoiko ra ny zana-tsipìkako, ary hihinana mofo ny sabatro; dia ny ran’ny voavono sy ny babo, ary ny loha lava volon’ny fahavalo.
«Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho ianao,
Renay ny nanamainan’i Iaveh ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy, tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna sy i Oga, izay nataonareo anatema.