Nomery 24:24 - Baiboly Katolika Mampahory an’i Asora, mampahory an’i Hebera, Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hisy sambo avy any amin’ny tany Kitima ka hampietry an’i Asira ary hampietry an’i Ebera, ary izy koa dia ho lany ringana mandrakizay! DIEM PROTESTANTA Hisy sambo avy any Kitîma, mitondra olona hampahory ny Asirianina sy hampahory ny taranak’i Hebera; nefa ho lany ringana koa no hiafaran’ireo mpampahory ireo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisy sambo avy any Kitîma, mitondra olona hampahory ny Asirianina sy hampahory ny taranak’i Hebera; nefa ho lany ringana koa no hiafaran’ireo mpampahory ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hisy sambo avy any amin’ny tany Kitima, Dia hampietry an’i Asyra sy Ebera, Ka ho lany ringana no hiafarany. Malagasy Bible Ary hisy sambo avy any amin'ny tany Kitima, dia hampietry an'i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany. La Bible en Malgache Ary hisy sambo avy any amin’ny tany Kitima ka hampietry an’i Asira ary hampietry an’i Ebera, ary izy koa dia ho lany ringana mandrakizay! |
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany.
Oaka avy any Basàna no nanaovany fivoy ho anao; ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy, avy amin’ny nosy Sitima.
Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «I Amaleka no voalohany amin’ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.»
Dia nilaza ny lahateniny i Balaama nanao hoe: «Indrisy! zovy no ho velona rehefa hanao izany Andriamanitra? Misy sambo avy any Sitima,
Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky),
Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika.»