Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:4 - Baiboly Katolika

Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niala tany an-tendrombohitra Hora indray izy ireo ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma. Dia kivy teny an-dalana ny olona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niala tao an-tendrombohitra Hôra ny Israelita, ka nihazo tamin’ny lalan’ny Ranomasin’ny Volotara hanodidina ny tanin’i Edôma. Teny an-dalana anefa dia very toky ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny làlana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ny olona noho ny làlana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niala tany an-tendrombohitra Hora indray izy ireo ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma. Dia kivy teny an-dalana ny olona.

Jereo ny toko



Nomery 21:4
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy koa izy: «Iza no lalana hombantsika?» Ka hoy i Jôrama: «Ilay lalan’ny efitr’i Edôma.»


Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.


Ny Amalesita sy ny Kananeanina no monina amin’ny lohasaha; koa rahampitso mihodìna ianareo ary miaingà ho any an’efitra amin’ny lalan’ny Ranomasina Mena.»


Nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh: Niakatra tany an-tendrombohitra Hora teo imason’ny fiangonana rehetra izy ireo;


Nahoana ianareo no mampipetraka ny zanak’i Israely tsy hankany amin’ny tany omen’i Iaveh azy?


Niakatra hatrany an-dohasahan’i Eskôla izy ary nahita ny tany, dia nampiketraka ny zanak’i Israely tsy hiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh azy.


Niala tao an-tendrombohitra Hôra izy, dia nitoby tao Salmonà.


Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.


Fa ianareo kosa, mihodìna ary miaingà ho any an’efitra amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena.


Dia nivily lalana isika, ka nandeha ho any an’efitra, amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena, araka ny nandidian’i Iaveh ahy, ary ela isika no nihodina manodidina ny tendrombohitra Seira.


Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba.