Nony vita ny manda ka efa nalatsako ny lela vavahady, dia ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny levita no napetraka hiambina.
Nomery 21:27 - Baiboly Katolika Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany no nilazan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo! Aoka hatsangana indray sy hatao mafy orina ny tanànan’i Sihona; DIEM PROTESTANTA Izany no nanaovan’ny poety hoe: «Mankanesa ao Hesbôna ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr’i Sihôna! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no nanaovan’ny poety hoe: «Mankanesa ao Hesbôna ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr’i Sihôna! Baiboly Protestanta Malagasy Izany no nanaovan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona hianareo; Aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’i Sihona; Malagasy Bible Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona; La Bible en Malgache Izany no nilazan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo! Aoka hatsangana indray sy hatao mafy orina ny tanànan’i Sihona; |
Nony vita ny manda ka efa nalatsako ny lela vavahady, dia ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny levita no napetraka hiambina.
dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?
Moa va izy ireo, dia izy rehetra, tsy hanonona oha-teny momba azy amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy? Hanao hoe: Mila loza izay mandroaka ny tsy azy, - mandra-pahoviana? - sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.
Ka izany no ilazana ao amin’ny bokin’ny Adin’i Iaveh hoe: «Lasan’i Iaveh i Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan’i Arnôna,
I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sehôna, Ka nandevona an’i Ara-Moaba, Dia ny tampon’ny havoan’i Arnôna.