Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 21:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Izany no nanaovan’ny poety hoe: «Mankanesa ao Hesbôna ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr’i Sihôna!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Izany no nilazan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo! Aoka hatsangana indray sy hatao mafy orina ny tanànan’i Sihona;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Izany no nanaovan’ny poety hoe: «Mankanesa ao Hesbôna ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr’i Sihôna!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Izany no nanaovan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona hianareo; Aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’i Sihona;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:27
6 Rohy Ifampitohizana  

Nony vita ny manda ka voalatsako ny lela-vavahady, dia napetraka tamin’ny fandraharahany avy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny levita.


dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!


Ireo vahoaka babo rehetra ireo kosa dia hiara-manao oha-pitenenana hanesoesoana sy hanaratsiana azy.» Eny, ireo vahoaka ireo no hilaza hoe: «Lozanareo mpangoron-karena izay mandraoka ny tsy anareo sady mivesatra ny tsatòka! Mandra-pahoviana no hanaovanareo izany?


Izany no ilazana ao amin’ny Bokin’ireo adin’ny TOMPO hoe: «...i Vaheba any Sofà sy ny sakeli-dranony; i Arnôna


I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.


Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbôna, nisy lelafo avy tao an-drenivohitr’i Sihôna ka nandevona an’i Hara-Môaba, sy ireo tompon’ny havoan’i Arnôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra