Nomery 21:26 - Baiboly Katolika I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona. DIEM PROTESTANTA I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna. Baiboly Protestanta Malagasy Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona. Malagasy Bible Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona. La Bible en Malgache I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona. |
Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao tahaka ny kamorin’i Hesebona, anilan’ny vavahadin’ity tanàna be mponina. Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libàna, izay manatrika ny ilan’i Damasa.
tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba! Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy: Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy! Ianao koa, ry Madmena, hatao gina; mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.
«Mangaihay i Moaba, fa voazera; samia ianareo mitoloko sy mitaraina! Ambarao any Arnôna, fa rava i Moaba!»
Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.
Nalain’i Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan’i Israely ny tanànan’ny Amôreana rehetra, dia i Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra.
Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.
dia nony efa nandresy an’i Sehôna mpanjakan’i Amôreana, izay nonina tao Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tao Atarôta sy Edraia.
ka izao no faritaniny, hatrany Arôera, eo amoron’ny ranon-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo afovoan’ny lohasaha, ny tany lemaka rehetra akaikin’i Medabà,
i Hesebona sy ny tanànany rehetra amin’ny tany lemaka, Dibôna, Bamôta-Baala, Bety-Baala-Maona,
ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan’i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amôna, hatrany Arôera tandrifin’i Rabà,
Ny totalin’ny tanànan’ny Levita teo amin’ny fananan’ny zanak’i Israely dia 48 sy ny manodidina azy.
Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?