Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 21:26 - DIEM PROTESTANTA

26 I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 I Hesbôna no renivohitr’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, rehefa avy niady tamin’ny mpanjakan’i Môaba teo aloha izy ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:26
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela, dia gazela kambana mbola tanora.


Ny vozonao dia toa tilikambo ivoary. Ny masonao dia manahaka ireo kamory any Hesbôna, eo am-bavahadin’i Baty-Rabima. Ny oronao dia maranidranitra tahaka ilay Tilikambon’i Libano izay mpiambina tandrifin’i Damasy.


Tsy misy intsony ny reharehan’i Môaba! Hamelezana an’i Hesbôna no nanaovana teti-dratsy hoe: «Andeha hofoanantsika tsy ho firenena intsony izy!» Ringana koa ianao, ry Madmena, fa manjohy anao ny ady.


–Menatra sy ketraka i Môaba, hoy ny navalin’ireo, Manaova antsoantso sy kiakiaka; ambarao amin’ny faritra amoron’i Arnôna fa rava i Môaba.


Mitady fialokalofana ao Hesbôna ireo mpandositra efa tena reraka. Kinanjo misy afo mipoitra avy ao Hesbôna; eny, misy lelafo mivoaka avy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Sihôna, ka handevona an’i Môaba tanin’ireo mpitabataba ireo na ny faritra misolampy na ny lembalemba.


Nalain’ny Israelita avokoa ny tanànan’ny Amôrita ka nonenany hatramin’i Hesbôna sy ny tanàna manodidina azy.


Izany no nanaovan’ny poety hoe: «Mankanesa ao Hesbôna ianareo. Enga anie ho voatsangana indray ary ho voaorina, toy ny teo aloha ilay renivohitr’i Sihôna!


Taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihôna, ilay mpanjakan’ny Amôrita sady nonina tao Hesbôna, sy taorian’ny nandreseny tao Edrehỳ an’i Hôga, ilay mpanjakan’i Basàna sady nonina tao Hastarôta, no nitrangan’izany.


Ny faritaniny dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà;


isan’izany koa i Hesbôna sy ny tanàna rehetra eny amin’io lembalemba io, dia i Dibôna, i Bamôta-Bahala, i Bety-Bahala-Mehôna,


Ny faritaniny dia mahafaoka ny tanàna Jahezera, ny tanàna rehetra ao Gilehada, ary ny antsasaky ny tanin’ny Hamônita tafapaka hatrany Harôhera akaikin’i Rabà;


i Hesbôna, ary i Jahezera: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra