Nomery 21:25 - Baiboly Katolika Nalain’i Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan’i Israely ny tanànan’ny Amôreana rehetra, dia i Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nalain’ny Israely ireny tanàna rehetra ireny. Nonenan’ny Israely ny tanànan’ny Amorita rehetra, dia i Hesbona sy ireo vohitra miankina aminy rehetra. DIEM PROTESTANTA Nalain’ny Israelita avokoa ny tanànan’ny Amôrita ka nonenany hatramin’i Hesbôna sy ny tanàna manodidina azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’ny Israelita avokoa ny tanànan’ny Amôrita ka nonenany hatramin’i Hesbôna sy ny tanàna manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nalain’ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra. Malagasy Bible Dia nalain'ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra. La Bible en Malgache Dia nalain’ny Israely ireny tanàna rehetra ireny. Nonenan’ny Israely ny tanànan’ny Amorita rehetra, dia i Hesbona sy ireo vohitra miankina aminy rehetra. |
Mibadabada i Hesebona sy i Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba, mangovitra ny fanahin’izy io.
tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba! Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy: Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy! Ianao koa, ry Madmena, hatao gina; mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.
Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale; hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo; hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima, hatrany Eglata-Selisia, fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.
Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.
Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.
Fa izao no helok’i Sôdôma rahavavinao: avonavona, fananam-be ary fianinana tsy miraikan’izy sy ny zanany vavy, sady tsy mba nitantana ny ory sy ny mahantra izy.
Hampodiko ny lasan-ko babo tamin’izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin’i Sôdôma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin’i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anao lasan-ko babo koa eo amin’ny azy,
Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho, sy nitari-dalana anareo, efapolo taona, tany an’efitra, mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreana.
I Hesebona no tanànan’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, izay efa nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha, sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnôna.
Ny tany Seira koa fahiny, dia nonenan’ny Hôreanina, nefa noroahin’ny taranak’i Esao ireny nataony lany ringana teo anatrehany, dia izy ireo no nonina nisolo ireny, toy ny nataon’ny zanak’i Israely tamin’ny tany ananany, izay nomen’i Iaveh azy.
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreana izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny. Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo, ary naringako teo anoloanareo izy.
Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?