Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:23 - Baiboly Katolika

Tsy navelan’i Sehôna handalo ny faritaniny i Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an’i Israely, tany an’efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa tsy namela ny Israely handeha hamakivaky ny taniny i Sihona fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka niainga hikatroka tamin’ny Israely tany an-tany efitra, dia nankany Jahaza ary niady tamin’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ny Isiraely teo izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa tsy namela ny Israely handeha hamakivaky ny taniny i Sihona fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka niainga hikatroka tamin’ny Israely tany an-tany efitra, dia nankany Jahaza ary niady tamin’ny Israely.

Jereo ny toko



Nomery 21:23
11 Rohy Ifampitohizana  

Mibadabada i Hesebona sy i Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba, mangovitra ny fanahin’izy io.


Misy fitsarana tonga, mihatra amin’ny tany lemaka, amin’i Helona, amin’i Jasà,


Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale; hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo; hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima, hatrany Eglata-Selisia, fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.


Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreana izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony, sy ny fakany teo ambany.


Hoy i Edôma taminy: «Tsy handalo atỳ amiko ianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin’ny sabatra aho.»


Nolavin’i Edôma tsy handalo ny faritaniny i Israely, ka dia nivily niala taminy i Israely.


tany an-dafin’ny Jordany tao an-dohasaha tandrifin’i Bety-Fogôra, amin’ny tanin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, nonina tao Hesebona, izay noresen’i Môizy sy ny zanak’i Israely tamin’ny nivoahany tany Ejipta.


Jasà, Kedimôta, Mefaata,


I Sehôna anefa, tsy ampy fitokiana an’i Israely mba hamela azy hamaky ny taniny. Namory ny vahoakany rehetra i Sehôna, ka nitoby tao Jasà, dia niady tamin’i Israely.