Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako;
Nomery 21:2 - Baiboly Katolika Dia nivoady tamin’i Iaveh i Israely, nanao hoe: «Raha atolotrao eo an-tanako ity firenena ity, dia hovoadiako hatao anatema ny tanànany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nivoady tamin’NY TOMPO ny Israely ka niteny hoe: Raha atolotrao eo an-tananay tokoa io firenena io dia hataonay zavatra voaozona avokoa ny tanànany. DIEM PROTESTANTA Koa nivoady tamin’ny TOMPO ireo Israelita ka nanao hoe: –Raha atolotrao eo an-tananay io firenena io, dia hataonay levona ny tanànany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nivoady tamin’ny TOMPO ireo Israelita ka nanao hoe: –Raha atolotrao eo an-tananay io firenena io, dia hataonay levona ny tanànany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nivoady tamin’i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tànanay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany. Malagasy Bible Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany. La Bible en Malgache Dia nivoady tamin’NY TOMPO ny Israely ka niteny hoe: Raha atolotrao eo an-tananay tokoa io firenena io dia hataonay zavatra voaozona avokoa ny tanànany. |
Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako;
Raha misy tsy tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia aoka ho voaozona izy! Maran-Atha (Tamy ny Tompontsika).
dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra.
Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony.
Fa raha ny amin’ny tanànan’ireo firenena izay nomen’i Iaveh Andriamanitra ho lovanao, dia aza misy velomina ao, rehefa mety ho manam-pofon’aina koa.
ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.
«Hatao anatema ho an’i Iaveh ny tanàna, dia izy mbamin’izay rehetra eo aminy; fa i Rahaba janga irery no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, noho izy nanafina ny iraka nirahintsika.
Tamin’izany andro izany i Jôsoe nianiana nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan’i Jerikô ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin’ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin’ny hananganany ny vavahadiny.»
ary nivoady izy, nanao hoe: «Iavehn’ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao Ianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao, dia homeko ho an’i Iaveh izy, amin’ny andro iainany rehetra, ary tsy ho kasihin-kareza ny lohany.»