Nomery 2:25 - Baiboly Katolika Ny fanevan’ny tobin’i Dana no ho eo avaratra, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiesera zanak’i Amisadaìa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra. Ny lohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday. DIEM PROTESTANTA «Amin’ny lafiny avaratra kosa no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Dana, izay ahitana mifanila ny tafika danita sy aserita ary naftalita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Dana dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 62 700; ho an’ny fokon’i Asera dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 41 500; ho an’ny fokon’i Naftalỳ dia i Ahira zanakalahin’i Henàna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 53 400. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Amin’ny lafiny avaratra kosa no hisy ireo tafika mivondrona ao anatin’ny tobin’i Dana, izay ahitana mifanila ny tafika danita sy aserita ary naftalita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Dana dia i Ahihezera zanakalahin’i Hamisaday miaraka amin’ny vatan-dehilahy 62 700; ho an’ny fokon’i Asera dia i Pagihiela zanakalahin’i Hôkràna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 41 500; ho an’ny fokon’i Naftalỳ dia i Ahira zanakalahin’i Henàna miaraka amin’ny vatan-dehilahy 53 400. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra; ary ny lohan’ny taranak’i Dana dia Ahiezera, zanak’i Amisaday; Malagasy Bible Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday; La Bible en Malgache Ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra. Ny lohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday. |
Ny terak’i Dana, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;
Ny filohan’ny foko iavian’ny fianakavian’i Merarỳ, dia i Soriela zanak’i Abihaiela. Eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana no nitobian’izy ireo.
ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Ahiesera, zanak’i Amisadaìa.