Nomery 2:19 - Baiboly Katolika ary 40.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy efatra alina. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina. Malagasy Bible ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina. La Bible en Malgache Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy efatra alina. |
Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:
Ny fokon’i Manase no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela zanak’i Fadasora,
Ireo no fokon’ny zanak’i Efraima, araka ny voaisa amin’izy ireo: 32.500. Dia izay no zanak’i Josefa araka ny fokony.