Nomery 19:22 - Baiboly Katolika Ny zavatra rehetra kasihin’izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro. DIEM PROTESTANTA Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro. Malagasy Bible Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro. La Bible en Malgache Ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro. |
Izay mikasika ny zavatra natao teo ambaniny, haloto mandra-paharivan’ny andro, ary izay mitondra izany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay voakasiky ny marary mitsîka ka tsy nanasa tanana tamin’ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
izay rehetra hikasika ny fandriany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay rehetra hikasika zavatra nipetrahany, hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Raha misy zavatra eo amin’ny fandriany, na eo amin’ny seza nipetrahany, dia haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika izany.
Izay rehetra hikasika izany, haloto ka hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay mikasika ny fandriany dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay mipetraka amin’ny zavatra nipetrahan’ny olona mitsîka, dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro.
Izay mikasika ny tenan’ny marary mitsîka dia hanasa ny fitafiana sy handro amin’ny rano.
Izay olona madio raha voaroran’ny marary mitsîka dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro io olona io.
izay nikasika biby mandady nahaloto azy, na olona maloto namindra fahalotoana taminy, na fahalotoana inona na fahalotoana inona,
haloto mandra-paharivan’ny andro izay nikasika ireo zavatra ireo, ka tsy hihinana ny zava-masina, handro amin’ny rano izy,
Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;
toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy.
Tsy fihinana ny hena nikasi-java-maloto, fa hodorana amin’ny afo. Fa ny henan’ny sorom-pihavanana, samy mahazo mihinana amin’izany izay madio rehetra.
Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.
Ary hoy i Akjea: Raha olona voaloto amim-paty kosa no mikasika an’izany, ho voaloto va izany? Namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho voaloto izany.
Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin’ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan’ny andro.