Nomery 19:18 - Baiboly Katolika Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia haka hisopa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana. DIEM PROTESTANTA Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin’ny rano, dia hafafiny amin’ny lay mbamin’ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin’aretina, na ny fasana. Malagasy Bible Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana. La Bible en Malgache Dia haka hisopa* ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana. |
no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny.
Dia hangalana ho an’izay maloto ny lavenon’ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny.
Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.
Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon’ilay omby vavy, sy hametraka azy amin’ny toerana madio anankiray any ivelan’ny toby, hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely izany, hatao amin’ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Fa rehefa voavakin’i Môizy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy, mbamin’ny rano sy ny volon’ondry mena ary ny hisopa, ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,