Fa inona no anjara hotahirizin’Andriamanitra any ambony ho ahy? Anjara toy inona no homen’ny Tsitoha ahy any an-danitra?
Nomery 16:30 - Baiboly Katolika Fa raha manao zavatra tsy fandre kosa i Iaveh, raha ny tany no manoka-bava sy mitelina an’ireo mbamin’izay azy rehetra, ka midina velona any amin’ny fonenan’ny maty ireo, dia fantatrareo fa naniratsira an’i Iaveh ireo olona ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha hanao zavatra vaovao kosa NY TOMPO ka hisokatra ny tany ary hitelina azy ireo mbamin’izay azy rehetra ary ho latsaka velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy dia ho fantatrareo fa efa nanamavo NY TOMPO ireo lehilahy ireo. DIEM PROTESTANTA Fa raha manao zavatra tsy mbola fahita kosa ny TOMPO, ka hampisokatra ny tany hitelina azy ireo mbamin’ny fananany rehetra ary izy ireo hidina velona any amin’ny fonenan’ny maty, dia ho fantatrareo fa efa nandà ny TOMPO ireo olona ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha manao zavatra tsy mbola fahita kosa ny TOMPO, ka hampisokatra ny tany hitelina azy ireo mbamin’ny fananany rehetra ary izy ireo hidina velona any amin’ny fonenan’ny maty, dia ho fantatrareo fa efa nandà ny TOMPO ireo olona ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ny fiainan-tsi-hita izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’i Jehovah ireo lehilahy ireo. Malagasy Bible Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo. La Bible en Malgache Fa raha hanao zavatra vaovao kosa NY TOMPO ka hisokatra ny tany ary hitelina azy ireo mbamin’izay azy rehetra ary ho latsaka velona any amin’ny fitoeran’ny maty* izy dia ho fantatrareo fa efa nanamavo NY TOMPO ireo lehilahy ireo. |
Fa inona no anjara hotahirizin’Andriamanitra any ambony ho ahy? Anjara toy inona no homen’ny Tsitoha ahy any an-danitra?
Tsy anjaran’ny ratsy fanahy va ny loza? Ary tsy ho an’ny mpanao ny tsy marina ny fahoriana?
Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika; niara-nandeha tamin’ny maro, ho any an-tranon’Andriamanitra isika.
Fa i Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon’ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan’i Gabaôna, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Izaho no nanao ny tany, sy nahary ny olona eo amboniny; izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako, izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.
mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.
Raha vantany vao tapitra voalazany izany teny izany dia nivava teo ambanin’izy ireo ny tany.
Latsaka velona tany amin’ny fonenan’ny maty ny tenan’izy ireo mbamin’izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin’ny fiangonana izy.