Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:29 - Baiboly Katolika

29 Raha toy ny fahafatin’ny olona rehetra ihany no hahafaty an’ireo olona ireo, ary raha sahala amin’ny an’ny olona rehetra ihany no hanjò azy, dia tsy i Iaveh no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Raha maty toy ny fahafatesan’ny olona rehetra ireo olona ireo na mahazo famaliana sahala amin’ny olona rehetra dia tsy NY TOMPO no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Raha fahafatesana tsotra no hahafaty ireo olona ireo, ka izay hanjo ny besinimaro ihany no hihatra aminy, dia tsy ny TOMPO no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Raha fahafatesana tsotra no hahafaty ireo olona ireo, ka izay hanjo ny besinimaro ihany no hihatra aminy, dia tsy ny TOMPO no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Raha maty toy ny fahafatin’ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Raha maty toy ny fahafatesan’ny olona rehetra ireo olona ireo na mahazo famaliana sahala amin’ny olona rehetra dia tsy NY TOMPO no naniraka ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:29
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao, ary izaho no mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.


Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»


Ary hoy i Mikea: «Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»


Saingy raha mbola tsy mamely ny fahatezerany ka hoatra ny tsy mahalala ny fahadalany izy,


Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,


Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»


Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.


Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?


Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany! - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?


Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma, asehony miharihary ny fahotanao.


Ka raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra