Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:33 - Baiboly Katolika

33 Latsaka velona tany amin’ny fonenan’ny maty ny tenan’izy ireo mbamin’izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin’ny fiangonana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Dia nidina velona ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra; nikatona taminy ny tany ka fongotra tsy ho eo amin’ny fiangonana intsony izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Nidina velona tany amin’ny fonenan’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin’ny fiangonana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Nidina velona tany amin’ny fonenan’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra, ary dia nandrakotra azy ny tany. Tsy hita intsony teo amin’ny fiangonana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Dia latsaka velona ho any amin’ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ny fiangonana intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Dia nidina velona ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra; nikatona taminy ny tany ka fongotra tsy ho eo amin’ny fiangonana intsony izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:33
19 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny fanoritra sy fihevon’ny asa ny tany, no famafy ny taolantsika teo am-bavan’ny Seoly.


Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh, fa reraka eo ihany ny fanahiko; aza manafina ny Tavanao amiko, fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.


Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika; niara-nandeha tamin’ny maro, ho any an-tranon’Andriamanitra isika.


Aoka ho azon’ny fahafatesana tampoka izy ireo, ka hidina velona any amin’ny Seoly! Fa ao amin’ny fonenany, ao afovoan’izy ireo, ny hasomparana.


Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.


Esory amin’ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony; aoka ho afaka amin’ny fahavaloko sy amin’ny rano lalina aho.


mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra, eo am-bavahadin’ny zanaka vavin’i Siôna, sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.


Kanjo indro ianao latsaka atỳ amin’ny Seoly, atỳ amin’ny hantsana lalina tsy hita noanoa!


Taitra ny aminao ny Seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo, ny mpanjakan’ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana avokoa, ny mpanjakan’ny firenena rehetra.


Satria tsy mankalaza anao ny Seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana Anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony.


mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.


Ry zanak’olona, midridridridria momba ny vahoaka ben’i Ejipta; ampidino izy, mbamin’ny zanaka vavin’ireo firenena malaza, ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka.


Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.


Nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin’ny fianakaviany ary ny ankohonan’i Kôre rehetra sy ny fananany rehetra.


Nandositra i Israely rehetra nanodidina azy ireo, noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: «Ndrao dia atelin’ny tany koa isika.»


Nahita ahy ny ampondra, ka nitanila teo anatrehako intelo izao; raha tsy nitanila teo anatrehako izy, dia ianao no nataoko maty, fa izy navelako ho velona aina.»


Fa tsy maty ny zanak’i Kôre.


Fa nirehitra ny afon’ny fahatezerako, ka mandoro ny fonenan’ny maty hatrany amin’ny faran’ny ambany, mandevona ny tany amam-bokatra eo aminy, mandrehitra ny tendrombohitra hatramin’ny fotony.


Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra